Tena ilaina ny fahaizana ireo fihetsika fototra ho vonjy aina. Izany indrindra no antony nahatonga anay teto amin’ny Mention Foresterie et Environnement nanatanteraka fiofanana mikasika ny Sekorisma androany niaraka tamin’ny Société d’Anesthesie et de Réanimation de Madagascar (SARM).
Eritreretina ho fiofanana «tsy maintsy» ataon’ireo mpianatra eto anivon’ny Departemanta izany manomboka atsy ho atsy.
Mankasitraka ireo Dokotera mpampiofana rehetra.
Miarahaba ireo vita fiofanana. Tsetsatsetsa tsy aritra, raha izaho no tompon’io orinasa mpampiofana io, indrindra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana, dia ho niezaka nitady anarana hafa noho io fanafohezana hoe SARM io, izay mety midika koa hoe Staphylococcus Aureus Résistant à la Méthicilline. Mivoaka amin’ny Aterineto mora foana io dikany fantatry ny mpitsabo io…
Asa ny « Sekorisma » raha azo omena dikanteny tandrify hoe Avotraina?